1. Matoria, matoria, ry zanako. Matoria, malalako. ‘Zany fiainanao toa vao miandoha. Etsy hofihiniko. Tazan’ i Josefa ery ambony ilay kintan’ny hazavanao.
Matoria, matoria, ry zanako. Matoria, malalako.
2. Ho Mpanjaka, feno voninahitra ianao, ka ho toy ny Rainao. Hanome fitahiana tsy manam-paharoa ireo tananao roa. Ry voary ô! Andeha hihoby, fa fiadanana no indro tonga.
Matoria, matoria, ry zanako. Matoria, malalako.