Book cover

Ilay hiran’ny Fahaterahana

Bokin-Kiran’ny Ankizy, 32


0:00 0:00
Introduction
All Verses

1. Inty no fotoana izay tsara indrindra. ’Ndeha ’sika hikalo ny hira mirindra. ’Ndeha koa hitantara ilay zaza kely ’zay efa teraka andro Noely.

2. Indro ilay kinta-mamiratra. Mitsilo ny tany aman-danitra. Inty ’lay anjely izay manambara; Mihira “Hosana” sy “Fiadanana!”

3. Inty ilay tranon’omby hafa kely, ’zay nandraisana an’ilay zazakely. Inty no mololo ‘zay natao kidoro, izay nampatorian(a) an’i Jesoa.

4. Indreo ny mpiandry ondry, manetry tena, mider(a) ilay zaza toa mahonena. ’Reo Magy nahita ilay kintana sy nanolotra fanomezana.

5. Jereo i Maria, ilay reny soa, i Josefa izay nitondr(a) azy koa. ’Nty no Betlehema izay manan-daza, nisy ilay Mpamonjy dia Jesoa zaza.