1. Nantsoin’ny Ray mba hanompo Azy ho vavolombelon’i Jesoa. Hotorianay re ny momba Azy, ny fitiavany ihany koa.
Andao handroso hatrany, mba ho voninahiny. Andao handroso hatrany, mba ho voninahiny. Hiram-pandresena no ventesintsika re. He! Voantso isika hanompo ’lay Mpanjaka lehibe.
2. Nantsoina handray ireo fitahiana ‘reo zanak’ilay Mpanjaka soa ka hitory azy am-pifaliana sy hidera Azy koa.