Book cover

Noho ’reo teninao

Hira avy ao amin’ny Ho zatovo mahery!


1. Rehefa izaho mivavaka iny, mihaino ahy Ianao, ka tsapa ny fitiavanao. Aminao aho tsy vahiny, ry ’Lay mampody ny aiko, mahalala izay ilaiko.

2. Mipàka ato am-poko ’lay hazavanao fa fantatrao tsara ny ao am-poko ao, mitombo finoana aho noho ’reo teninao. Toy ny eo Ianao mamaly ahy tokoa, fa manenika ahy ny fiadanam-po ka dia indro vonona aho noho ’reo teninao.

3. He faly aho fa tsy mba irery fa momba ahy Ianao, mankahery ity foko. ’Zaho tsy hahafoy, tsy hamery ’Lay manampy ahy hatrany raha ory aho na tomany.

Mipàka ato am-poko ’lay hazavanao fa fantatrao tsara ny ao am-poko ao, mitombo finoana aho noho ’reo teninao. Toy ny eo Ianao mamaly ahy tokoa, fa manenika ahy ny fiadanam-po ka dia indro vonona aho noho ’reo teninao. Noho ’reo teninao, noho ’reo teninao.

Mipàka ato am-poko ’lay hazavanao fa fantatrao tsara ny ao am-poko ao, mitombo finoana aho noho ’reo teninao.