1. Rehefa tonga indray Jesoa dia hanadio ny tany ho soa,ho avy hanjaka Izy eo amin’ny olony ihany koa.Foana ny ady amin’izany, hiadam‑po ny eto antany;’reo biby rehetra hiara‑komana any.
Andao hidera, hifaly, miomàna ihany koa!Aoka hankatò ary hanoa an’i Jesoa.Tsisy hahalala ny andro sy ora hihaviany indray,saingy Izy ho avy, efa voambara; ’zay ho andro tena tsara,rehefa eo Ilay Mpamonjy amin’izay.
2. Amin’izany isika ho tony tsisy tahotra intsony;hifatotra i Satana fa hanjaka ny ao Ambony.Fahafatesana tsy ho eo, fahalalana no hiseho,Kristy no Tompo eken’ny maro hatreo.