1. Nahoana aho no ho kivy?Nahoana aho no ho tomany?Nahoana no ory ity fokote ho any an‑danitra any.Kanefa anjara ho ahy,sakaizako i Jesoa,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa.
Mihira aho satria faly,efa afaka ireo jaly,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa.
2. “Ô, aza malahelo,ny fonao aoka ho tony”,ny feony injao fa reko,k’izaho tsy hanahy intsony.Na aiza hitondrany ahydia vonona aho ny hanoa,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa.
Mihira aho satria faly,efa afaka ireo jaly,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa.
3. Raha tojo fitsapana aho,raha tojo fahoriana,raha toa ka velon‑tsentoka resin’ny hakiviana,dia manakaiky Azy ahoka faly indray ’ty fo,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa.
Mihira aho satria faly,efa afaka ireo jaly,fa miahy ’reo tsintsina Izyka dia miahy ny momba ahy koa.