1. Ny ampitso tsy hataoko hampanahy,hatoky aho na inona hiseho!F’eo ny Raiko izay mitantana ahyka ho tony aho ary tsy hitoreo.Fantatro Izy fa tia ahy tokoa,isan’andro omeny ahy ’zay ilaiko,na ny sedra na ny zava‑tsoa,izay tsy mba takatra ity saiko.
2. Eo anilako eo Izy isan’ora,omeny ahy ny hery izay ilaina.Ny ady ataoko dia manjary moraf’Izy no Hery sy Mpanolotsaina.Ny hoavy tsy mba hisy ahiahy.Ny fiadanako homeny ahy hatrany,mifamatra amin’ny andro ho ahy,’zay re no fampanantenany.
3. Aoka aho tsy hatoky afa‑tsy Ianao,hino izay nampanantenaina ahy,’zay nambaran’ny mpanomponaotamin’ny fitaoman’ny Fanahy.Aoka Ray, na inona hanjo ahy,dia Ianao no hitokiako hatrany.Ny ampitso tsy hataoko hampanahy,eny, mandra‑piverenako any.