Ô, avia Jesoa

Fihirana ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana, 1018


0:00 0:00
Introduction
All Verses

1. Ô, avia Jesoa, midìnaao an‑tranon’omby izao.Fa Mpanjaka sady Andriana,no nanetry tena Ianao.Resy ny haizina ela ny ela.Ô, avia r’Imanoela!Ô, avia Jesoa, midina!Ô, avia Jesoa!

2. Ô, avia Jesoa, tsimbino’reo maratra, mitalaho.Zanak’Ondry ô, mba vimbinoizahay ho an‑tratranao.Aoka Ianao hamindra fosy hanasitrana anay koa.Ô, avia Jesoa, tsimbino!Ô, avia Jesoa!

3. Ô, avia Jesoa, tongava,ry Mpamonjy tsy hafoinay.Ianao no Ilay Mazava,foano ny alahelonay.Miverena indray Ianao,hanjakao ’zao rehetra izao.Tsy handrinay ny hitsena Anao.Ô, avia Jesoa!