1. Andro lehibe tokoa: Haleloia!tafatsangana i Jesoa! Haleloia!Zanak’ondry izay nomena,Haleloia! mba hitondra famonjena. Haleloia!
2. Indro ilay nandresy ny ady, Haleloia!mivohà ry vavahady! Haleloia!Fahafatesana efa resy, Haleloia!ny ota ho lao noho ’Lay Mpandresy! Haleloia!
3. Ireo tanany he, miseho! Haleloia!He ’reo diam‑pantsika eo. Haleloia!Fitahiana sesilany, Haleloia!ho an’ny mpino Azy eto an‑tany. Haleloia!
4. Tompo ô, ampio ’ty fo, Haleloia!hanakaiky Anao kokoa, Haleloia!mba ho ao an‑danitra ao,Haleloia! ka hanatri‑tava Anao. Haleloia!