Indro teraka Ilay Mesia

Fihirana ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana, 1202

0:00 0:00
Introduction
All Verses

1. Efa ela moa izy itỳno natao fampanantenana.Efa ela moa izy itỳno efa nandrasantsika etỳ.

Indro teraka Ilay Mesia,venteso ny hira atao fiderana.Indro teraka Ilay Mesia,hirao ny fiaviany etỳ.

2. Tranon’omby izay tsotra erỳ,no nandray ity fahagagana.Tranon’omby izay tsotra e rỳ,no nandray an’Ilay Mesia.

Indro teraka Ilay Mesia,venteso ny hira atao fiderana.Indro teraka Ilay Mesia,hirao ny fiaviany etỳ.

3. Tena soa sy maha‑te ho tia,sady rakotry ny hatsarana.Tena soa sy maha‑te ho tia,’Lay Mesia izay tonga etỳ.

Indro teraka Ilay Mesia,venteso ny hira atao fiderana.Indro teraka Ilay Mesia,hirao ny fiaviany etỳ.