Fa iza io zaza matory io?

Fihirana ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana, 1203


0:00 0:00
Introduction
All Verses

1. Fa iza io zaza mandry io?Miampofo Azy i Maria.’Lay zazakely hobian’ny anjely,avia jereo, avia!Io Kristy ’Lay Andriana,hirao re ny fihobiana.Avia, derao izao’Lay Zanak’i Maria.

2. Io fihinanam‑bilona iova re no hatoriany?’Lay mitalaho ho ahy sy ho anao,mpanota nefa tiany.Voaratra tsotra izaomba hamonjena ahy sy anao.Teny izay tonga nofo,’Lay Zanak’i Maria.

3. Tsy zava‑manitra, miora,sy volamena ihany,f’omeo koa ho an’i Jesoany fonao hanjakany.He, faly ankehitriny,injao mihira ny virijiny.He, teraka i Kristy,’Lay Zanak’i Maria.