Book cover

Raha manaraka Azy aho

Hira fanampiny ho an’ny ankizy

0:00 0:00
Introduction
All Verses

1. Jesoa dia nitombo tamim-pahendrena. Tia ny Ray sy ny olona Izy, tsy noterena. Te hitarika ahy Izy, sy hanoro ahy koa, mitaona ahy hanatona Azy i Jesoa.

Raha manaraka Azy aho mandra-podiako any dia homeny ahy ny Fanahy sy ny fitia tsy lany. Ary hovainy ity foko hahita tsy hanahy. Koa hanaraka Azy aho, ary Izy hitantana ahy.

2. Hiezaka aho ny hivoatra Toa an’i Jesoa, vonona aho ny hanompo sy hankato. Raha manaraka Azy aho Izy hiaro ahy re, hozaraiko ilay fitiavany ahy lehibe.

Raha manaraka Azy aho mandra-podiako any dia homeny ahy ny Fanahy sy ny fitia tsy lany. Ary hovainy ity foko hahita tsy hanahy. Koa hanaraka Azy aho, ary Izy hitantana ahy.

3. Jesoa no hitokiako, hihaino ny antsony aho. Tsy hahafoy ahy mihitsy Izy na lavo aza aho. Mankahery ahy Izy, mampatanjaka ahy, hanampy ahy hivoatra ho mandrakizay.