November 2019
Raha manaraka Azy aho
Raha manaraka Azy aho
1. Jesoa dia nitombotamim-pahendrena.Tia ny Ray sy ny olona Izy, tsy noterena.Te hitarika ahy Izy,sy hanoro ahy koa,mitaona ahy hanatona Azy i Jesoa.
Raha manaraka Azy aho mandra-podiako anydia homeny ahy ny Fanahy sy ny fitia tsy lany.Ary hovainy ity foko hahita tsy hanahy.Koa hanaraka Azy aho, ary Izy hitantana ahy.
2. Hiezaka aho ny hivoatraToa an’i Jesoa,vonona aho ny hanompo sy hankato.Raha manaraka Azy ahoIzy hiaro ahy re,hozaraiko ilay fitiavany ahy lehibe.
Raha manaraka Azy aho mandra-podiako anydia homeny ahy ny Fanahy sy ny fitia tsy lany.Ary hovainy ity foko hahita tsy hanahy.Koa hanaraka Azy aho, ary Izy hitantana ahy.
3. Jesoa no hitokiako,hihaino ny antsony aho.Tsy hahafoy ahy mihitsy Izy na lavo aza aho.Mankahery ahy Izy,mampatanjaka ahy,hanampy ahy hivoatra ho mandrakizay.
Raha manaraka Azy aho mandra-podiako anydia homeny ahy ny Fanahy sy ny fitia tsy lany.Ary hovainy ity foko hahita tsy hanahy.Koa hanaraka Azy aho, ary Izy hitantana ahy.
Tonony sy feony: Stephen P. Schank, ter. 1967
© 2019 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Ity hira ity dia azo adika raha ampiasaina any am-piangonana na any an-tokantrano ka tsy atao itadiavam-bola. Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy hita eo amin’ny tahadika tsirairay izay atao.