Book cover

Zanaky ny Ray aho

Bokin-Kiran’ny Ankizy, 2

0:00 0:00
Introduction
All Verses

1. Zanaky ny Ray aho, napetrany etỳ. Nomeny fianakaviana, ray amandreny tia.

Tantano aho mba hahita ilay lalana mankany. ‘Zay rehetra ilaina atao mba ho tafaverina any.

2. Zanaky ny Ray aho, ka mila fanampiana. Ampianaro ahy ny teniny mba tsy ho diso aoriana.

Tantano aho mba hahita ilay lalana mankany. ‘Zay rehetra ilaina atao mba ho tafaverina any.

3. Zanaky ny Ray aho, nomeny fitahiana. Ka raha manao ny sitrapony dia hody ampifaliana.

Tantano aho mba hahita ilay lalana mankany. ‘Zay rehetra ilaina atao mba ho tafaverina any.

4. Zanaky ny Ray aho. Ka azo antoka fa raha toa maharitra, dia ho any andanitra.