Page 2
Zanaky ny Ray aho
Zanaky ny Ray aho
1. Zanaky ny Ray aho,
napetrany etỳ.
Nomeny fianakaviana,
ray amandreny tia.
Tantano aho mba hahita ilay
lalana mankany.
‘Zay rehetra ilaina atao
mba ho tafaverina any.
2. Zanaky ny Ray aho,
ka mila fanampiana.
Ampianaro ahy ny teniny
mba tsy ho diso aoriana.
Tantano aho mba hahita ilay
lalana mankany.
‘Zay rehetra ilaina atao
mba ho tafaverina any.
3. Zanaky ny Ray aho,
nomeny fitahiana.
Ka raha manao ny sitrapony
dia hody ampifaliana.
Tantano aho mba hahita ilay
lalana mankany.
‘Zay rehetra ilaina atao
mba ho tafaverina any.
4. Zanaky ny Ray aho.
Ka azo antoka
fa raha toa maharitra,
dia ho any andanitra.
Tantano aho mba hahita ilay
lalana mankany.
‘Zay rehetra ilaina atao
mba ho tafaverina any.
Tonony: Naomi Ward Randall, 1908–2001. © 1957 IRI. Andininy fahefatra © 1978 IRI
Feony: Mildred Tanner Pettit, 1895–1977. © 1957 IRI. Narindran’i Darwin Wolford, ter. 1936. Fandrindrana © 1989 IRI