1. Avia, matoria fa lazaiko anaony fomba niavian’i Jesoa Tomponao.Fa tany an-tany iray ‘zay lavitra beNo terak’ ilay zaza toa an’ ise.
Ô! Matoria fa aza manahy.Avelao ho tony re ny fanahy.Ô! Matoria ‘zany zanako izany.Jesoa no hiaro anao eto an-tany.
2. Andian’anjely no nilaz(a) i-zany,nitondra hazavana ho ety an-tany.Ka kintan(a) iray no nitsilo nialoha,nanoro izay nisy an’i Jesoa.
Ô! Matoria fa aza manahy.Avelao ho tony re ny fanahy.Ô! Matoria ‘zany zanako izany.Jesoa no hiaro anao eto an-tany.
3. Nahita azy io koa ireo mpiandry ondry,dia ‘lay zazakely tao an-tranon’omby.Tsy nanan(a) ahiahy na dia tsisy fandriana.Jesoa dia natory tamim-pifaliana.
Ô! Matoria fa aza manahy.Avelao ho tony re ny fanahy.Ô! Matoria ‘zany zanako izany.Jesoa no hiaro anao eto an-tany.