1. Avia, matoria fa lazaiko anao
ny fomba niavian’i Jesoa Tomponao.
Fa tany an-tany iray ‘zay lavitra be
No terak’ ilay zaza toa an’ ise.
Ô! Matoria fa aza manahy.
Avelao ho tony re ny fanahy.
Ô! Matoria ‘zany zanako izany.
Jesoa no hiaro anao eto an-tany.
2. Andian’anjely no nilaz(a) i-zany,
nitondra hazavana ho ety an-tany.
Ka kintan(a) iray no nitsilo nialoha,
nanoro izay nisy an’i Jesoa.
Ô! Matoria fa aza manahy.
Avelao ho tony re ny fanahy.
Ô! Matoria ‘zany zanako izany.
Jesoa no hiaro anao eto an-tany.
3. Nahita azy io koa ireo mpiandry ondry,
dia ‘lay zazakely tao an-tranon’omby.
Tsy nanan(a) ahiahy na dia tsisy fandriana.
Jesoa dia natory tamim-pifaliana.
Ô! Matoria fa aza manahy.
Avelao ho tony re ny fanahy.
Ô! Matoria ‘zany zanako izany.
Jesoa no hiaro anao eto an-tany.
Tonony sy feony: Joseph Ballantyne, 1868–1944
Valin-kira: Patricia Haglund Nielsen, 1936–2009. © 1989 IRI