Page 66
Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka
Mandalina, misaintsaina, ary mivavaka
1. Mahafinaritr(a) ahy ny mamaky
soratra masina,
satria manenik(a) ahy hatrany ny Fanahy,
vavolombelona am(i)n’izany.
Raha mandalina aho,
misaintsaina am-bavaka,
ho ao ny Fanahy hanazava ahy
hoe, tena marin(a)izany.
2. Koa isan’andro aho dia hamaky
soratra masina,
hahay sy hahatadidy
ka hankatò ‘reo didy,
hanao ‘zay tian’ ny Tompo hataoko.
Raha mandalina aho,
misaintsaina am-bavaka,
ho ao ny Fanahy hanazava ahy
hoe, tena marin(a)izany.
Tonony: Jaclyn Thomas Milne, ter. 1949. © 1986 IRI
Feony: Carol Baker Black, ter. 1951. © 1986 IRI