Page 82
Fidio ny tsara
Fidio ny tsara
1. Ny hany fomba hahasambatra to-koa,di-a ny misafidy ny tsara.Ny fianarako ny ohatr’i Jesoano hanampy ahy hatrany any ampara.
Fidio ny tsara, raha te ho faly.Fidio ny tsara hatrany hatrany.
2. Ny filazantsara izay manoro ahyha-nampinoana sy hankatò,no ahalalako hoe, raha mahatoky aho,dia ho faly isan’andro tokoa.
Fidio ny tsara, raha te ho faly.Fidio ny tsara hatrany hatrany.
Tonony sy feony: Clara W. McMaster, 1904–1997. © 1981 IRI