1. Hoy ilay rano kely hoe:
“Manomeza, manomeza.”
‘Zay no hany nolazainy,
sady nikoriana ihany.
“Na kely aza aho, n’aiza n’aiza misy ahy,
ny tontolo maitso hatrany.”
Hirahirainy hatrany hoe:
“Manomeza nyhafa re!”
Hirahirainy hatrany hoe :
“Manomeza re!”
2. Hoy koa ny orana,
“Manomeza, manomeza,”
re(he)fa nirotsaka
tamin’ireo zavaboary.
“Tondrahako mba haniry avokoa,
‘zay malazo hanjary ho soa.”
Hirahirainy hatrany hoe:
“Manomeza nyhafa re!”
Hirahirainy hatrany hoe :
“Manomeza re!”
3. Tahak(a) an’i Jesoa,
manomeza, manomeza.
Tahak(a) an’i Jesoa,
manomeza avokoa.
Andao isika hanompo ny Ray,
toy ‘lay rano kely (i)ray.
Hirahirainy hatrany hoe
“Manomeza nyhafa re!”
Hirahirainy hatrany hoe :
“Manomeza re!”
Tonony: Fanny J. Crosby, 1820–1915
Feony: William B. Bradbury, 1816–1868. Fandrindrana © 1989 IRI