1. Fiadanam-po no omen’ i Kristy, raha manaraka Azy isika, ka maneho fitia. Henoy sy iaino izay nolazainy dia fiadanam-po tokoa no homen’ i Kristy.
Fanantenana no omeny anao, sy fo mahery raha toa kivy ianao, fialofanao Izy amin’ny ady ety. Fiadanam-po no omen’i Kristy.
2. Fiadanam-po no omen’ i Kristy, raha ataonao ’zay nataony fony Izy tety. Koa ’reo fo maratra, ’ndao, fenoy fitia mba ho fiadanam-po no homen’ i Kristy.
Fanantenana no omeny anao, sy fo mahery raha toa kivy ianao, fialofanao Izy amin’ny ady ety. Fiadanam-po no omen’i Kristy. Fiadanam-po no omen’i Kristy.