Book cover

Isao ireo fitahiana

Fihirana sy hiran’ ny ankizy, 14


1. Fototra mafy orina ny finoanao, Raha tenin’ny Tompo hijoroanao. Lazainy hatranyizay ho anao. Amin’ny Mpamonjy, amin’ny Mpamonjy, Amin’ny Mpamonjy, fialofana.

2. Nafinaritra na marary ianao, Na mitombo harena na ory koa. Na mandeha lavitra na ao an-trano. Ny Tompo manampy ny Tompo manampy, Ny Tompo manampy anao hatrany.

3. Aza kivy na matahotra ianao, ‘Zaho Andriamanitra manampy anao. ‘Zaho hampahatanjaka sy hampitraka. Hijoro ianao, hijoro ianao, Hijoro ianao, eo anatrehako.

4. Raha tojo ny ady sarotra ianao, ‘Zaho tsy hampitondra ‘zay tsy zakanao. Izaho hiambina, hiara-dia aminao. Hanome fitahiana, hanome fitahiana, hanome fitahiana ho anao.

5. Raha tojo fahoriana ny fiainanao, Dia ampy ho anao ny fahasoavako. Handresy ny sakantsakana ianao. Fadio ny ota, fadio ny ota, Fadio ny ota, ka mitsahara.

6. Na tratr’ antitra’ aza ny vahoakako. Dia hanaporofo ny fitiavany. Na maty aza mbola hitsangana. Mba tsy hanan-tsiny, mba tsy hanan-tsiny, Mba tsy hanan-tsiny, haterak’ indray.

7. Tolory an’i Jesoa ny fiainanao, Fa tsy handao anao mandrakizay Izy. Na manangoly aza i Satana, Na oviana na oviana, na oviana na oviana, Na oviana na oviana, tsy ho foiny ianao.