Book cover

Ndao handroso hatrany

Fihirana sy hiran’ ny ankizy, 18


1. Mila Anao aho Ry Tompo be fitia; Ny feonao izay, mampitony ety. Tompo, mila Anao aho, Eny, mila Anao; Hanatona Anao aho ka mba tahio

2. Mila Anao aho Eto anilako; Ka ny fakam-panahy, dia ho resiko. Tompo, mila Anao aho, Eny, mila Anao; Hanatona Anao aho ka mba tahio.

3. Mila Anao aho Na ory na faly; Faingana mitoera, sao hijaly aho. Tompo, mila Anao aho, Eny, mila Anao; Hanatona Anao aho ka mba tahio.

4. Mila Anao aho Ry Masina o! Raiso ho zanakao, ka mba tahio. Tompo, mila Anao aho, Eny, mila Anao; Hanatona Anao aho ka mba tahio.