1. Tompo, tsara ny asanao, Hiderana Anao ankira. Mankalaza ny maraina, Hatramin’ny alina koa.
2. Sabata re no andro soa, Andro tsy misy ahiahy. Amin’ny fo no hihobiana, Toy’ zay nataon’ i Davida.
3. Ny Tompo no fandreseko, Fa lehibe ny asany. Famindram-po feno tokoa, Anatra soa atolony.
4. Endrey ‘zany fandresena, Hiaraka amin’ny Ray. Fiainana mandrakizay, Hafaliana sesehena.
5. Tsy hisy intsony ny ota, Ny fahavalo horavana. Ho ringana ‘reo mpanota, Hihahaka i Satana.
6. Dia ho reko, ho fantatro, Ny faniriako hatrizay. Ho azoko ny fahefana, Rehefa any an-danitra.