Book cover

Misaotra Anao noho ny mpaminany

Fihirana sy hiran’ ny ankizy, 70


0:00 0:00
Introduction
All Verses

1. Misaotra ’nao noho ny mpaminanyNomenao hitarik’anay,Misaotra noho ny FilazantsaraManazava ny sainay.Misaotra noho ’reo fitahianaNatolotry ny tànanao.Mahafaly anay ny manompo,Mitandrina ny didinao.

2. Raha maizina ny làlanayKa maloka ny fiainanay,Misy azonay hantenainaAkaiky ny famonjena.Matoky ny TompoizahayHatryzao sy rahatrizay.Ny mpanohitra an’ i Ziona,Hofaizina mandrakizay.

3. Hiraina ny hatsarany,Deraina tokoa Izy,Faly noho ny FilazantsaraIzay teny fiainana’Reo mendrika, manampinoana,Tanteraka mandrakizay.Ireo ’zay na nohitra kosa,Ho lavitra fifaliana.