1. Zanaky ny Ray aho,Napetrany etỳ.Nomeny fianakaviav’ aho,Ray amandreny tia.
Tariho, ampio, miarahaEo anilanay.Toroy ahy ny ataokoHiverin’ any indray.
2. Zanaky ny Ray aho,Ka mba tohono re.Ampianaroahy ny TeninyHahaizako mandeha.
Tariho, ampio, miarahaEo anilanay.Toroy ahy ny ataokoHiverin’ any indray.
3. Zanaky ny Ray aho,Soa no aidiny.Mbola hihaon’ Aminy aho,Atao ny didiny.