1. Sahia manao ‘zay tsara hatrany. Ny andraikitrao dia natao ho anao ihany. Am-pahazotoana mba fidio ny tsara ka ‘reo anjely no aoka hitantara.
Sahia manao ny tsara. Sahia manao izany. Sahia manao ny tsara hatrany.
2. Sahia manao ‘zay tsara hatrany. ‘Zay tsy mahavonjy dia aoka ho any. Amin’ ny finoanao mijoroa ka miadia toy ny mahery fo.
Sahia manao ny tsara. Sahia manao izany. Sahia manao ny tsara hatrany.