1. Ry, zanaky ny Tompo, Atambaro re ny feo. Ankalaza ny Tompo; Izy hanjaka rahateo. Rehefa voadio ny tany, Ny ota hitsahatra. Fitiavana hatrany Sy fiainan-tsambatra.
2. Endrey ha’ finaritra, Ho avy ny Mpamonjy; amimboninahitra; Hihira ny voavonjy. Ka ny ratsy hiahotra. Ny Tompo no Mpanjaka, Levona ny tahotra; Fitia re no hanjaka.
3. Hitafy fotsy madio, Hitoetra marina. Hihira fiderana, Ho velom-pisaorana. Ho voasasa ny tany, Hatsarana sy fitia Nohanjaka eto an-tany, Fa ho ravo ny fo tia.