Auto-scroll is most reliable with MIDI (computer-generated) audio.
Practice
Loading…
Ry Mpanavotra
1. Ry, zanaky ny Tompo,Atambaro re ny feo.Ankalaza ny Tompo;Izy hanjaka rahateo.Rehefa voadio ny tany,Ny ota hitsahatra.Fitiavana hatranySy fiainan-tsambatra.
2. Endrey ha’ finaritra,Ho avy ny Mpamonjy;amimboninahitra;Hihira ny voavonjy.Ka ny ratsy hiahotra.Ny Tompo no Mpanjaka,Levona ny tahotra;Fitia re no hanjaka.
3. Hitafy fotsy madio,Hitoetra marina.Hihira fiderana,Ho velom-pisaorana.Ho voasasa ny tany,Hatsarana sy fitiaNohanjaka eto an-tany,Fa ho ravo ny fo tia.
Tonony tamin’ ny teny anglisy:William W. Phelps, 1792–1872; namboarina avy tamin’ ny tonony nataon’ i Joseph Swain 1761–1796. Voarakitra ao amin’ ny fihiranan’ ny OAF, 1835.