1. Ry Mpanavotra mampifaly anay, Omeo fitahiana izahay. Miaro anay Andro sy alina, Mpanavotra sy Mpanjaka.
2. Indro Izy fa miantso ny ondry, Ho entiny any Ziona, Tsy hatahotra ho faty, ho very. Satria miaraka Aminao.
3. Hafiriana no nahampanota anay. Ka niantsoantso Anao. Faly Satana fa ory isika; Isiraely havotra.
4. Zanak’i Ziona naheno vaovao. Ny famantarana hita. Tsy hatahotra, Aoka ho marina. Indro ny fanavotana.
5. Asehoy anay ny endrikao Jesoa, Fenoy fitiavana koa. Ny faniriako, Hitoetra Aminao, Dia hionona ny foko.
6. Indro i Jesoa ka faly ny tontolo. Miandry izay lazainy. Miteny Izy ka velona ny dera. Ho an’ny Tompo tokana.
Tonony tamin’ny teny anglisy: William W. Phelps, 1792-1872; namboarina avy tamin’ny tonony nataon’i Joseph Swain 1761-1796.
Feony: Freeman Lewis, 1780-1859