Page 30
Indro fa maty ny Tompo
Indro fa maty ny Tompo
1. Indro fa maty ny Tompo,
Mpamonjy sy Mpanavotro.
Nivesatra ny otako,
Nivesatra ny otako,
Hahazoako fiainana indray.
2. Nolatsain’ ireo meloka,
Voahombo sy voafantsika.
Nesoina fa Mpanjaka,
Nesoina fa Mpanjaka,
Nosatrohina tsilo Izy.
3. Nijaly sy nanaintaina,
Nefa tsy mba nitaraina.
Nanao ’zay sitraky ny Ray,
Nanao zay sitraky ny Ray,
Hamonjenaantsika olony.
4. Ray ô! alao ’ty kapoaka,
Raha sitrakao fa mafy re.
Ny sitraponao no atao,
Ny sitraponao no atao,
Antànanao ny fanahiko.
5. Mai-zi-nai-zao ton-to-loi-zao,
Ma-ty i Je-soa ta-min’ i-zany.
Ni-ho-ro-ho-ro ny ta-ny,
Ni-ho-ro-ho-ro ny ta-ny,
Ra-i-ki-ta-ho-tra a-vo-koa.
6. Ve-lo-na ny Tom-po Je-soa,
Hi-tsao-han-tsi-k’ i-zay ma-noa,
Va-vo-lom-be-lo-nai-si-ka,
Va-vo-lom-be-lo-nai-si-ka,
Ha-na-tan-te-ra-ka ny si-tra-ny.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Eliza R. Snow, 1804–1887
Feony: George Careless, 1839–1932