Page 34
Rainay mandrakizay
Rainay mandrakizay
1. Rainay mandrakizay,Mangataka Aminao.Amin’ ny anaran’ iJesoa izahay,Hitahy sy hanamasina,Mofo sy rano.Mba hahatsiarovanayIlay sorona.
2. ’Lay fanavotena Tsytakatry ny olona,Fa vidin’ ny ota, nyRa sy ny Nofony;Ho vavolombelonanoho ny fijaliany;Mba hananantsika nyFanahy sy fo iray.
3. Raha nidina tetỳ Jesoafa voafidy;Nomeny ny ainy,fanavotana, fitia.Tsy harena sy lazaNo Hanirian’ Azy,F’Izy no ’lay Mpamonjynantenaina hanadio.
4. Endrey ny drafitra ’Zayfeno fahendrena;Nitafy nofo ny Tompoho famondena.Tonga tetỳ antanytoy ny olona,Ary maty mba tsy hovery ny olona.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: William W. Phelps, 1792–1872. Voarakitra ao amin’ ny fihiranan’ ny OAF, 1835.
Feony: Felix Mendelssohn, 1809–1847