Page 42
Endrey mahagaga ahy
Endrey mahagaga ahy
1. Mahagaga ahy ny fitiavan’ i Jesoa,
Ny famindrampo ’zay nomeny ho ahy tokoa.
Tsy zakako ny misaina ny fijaliany,
Hoe izaho no anton’ ny fahoriany.
Endrey mahagaga re, fitiavandehibe
Nomeny ny ainy re.
Endrey mahagaga re, mahagaga re!
2. Mahagaga: nandao ny lapan’ Izy hoahy,
Mba hamonjena ireo toa ahy ratsy fanahy.
Natolony ho ahy ’lay fitiavandehibe,
Ampy hanamarin’ahy ny fanavotany.
Endrey mahagaga re, fitiavandehibe
Nomeny ny ainy re.
Endrey mahagaga re, mahagaga re!
3. Nofantsihan’ Izy ka afatros’aho re,
Hohadinoina ve ’lay fandavantena be?
Tsia! Fa hitohy ny fiderako Anao,
Mandrapahatongako any antranonao.
Endrey mahagaga re, fitiavandehibe
Nomeny ny ainy re.
Endrey mahagaga re, mahagaga re!
Tonony sy Feony: Charles H. Gabriel, 1856–1932