Page 58
An-tendrombohitra
An-tendrombohitra
1. Antendrombohitra
Dia misy saina iray.
Jereo miofaofa
Erantany indray,
Toerana ’zay masina
’Lay Ziona tafaorina.
2. Tsy hadinon’ ny Ray
’Reo tokiny taloha.
Ny fahamarinana
ao Ziona tsy ho lò,
Hazavany hisarika
’Reo mponina eto antany.
3. Fa ny tranon’ ny Ray
Ho tafatsangan’ao.
Ny vahoaka rehetra
Hahala vaovao,
Ndeha hanompo ny Tompo soa
Hanoa ny eniny tokoa.
4. Hampianari na
Izao ny lalàna,
Haelintsika eran’
ny fanjakana,
Mandrakizay hanoa Azy
Ho voavonju avokoa.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Joel H. Johnson, 1802–1882
Feony: Ebenezer Beesley, 1840–1906