Page 60
Lazao ny marina
Lazao ny marina
1. Lazao ny marina, Sarobidy,
Fa harena tsy mba voavidy
Lafo noho ny firavaky ny tany,
Ny satroboni nahitr’aza mbolaambany
raha miohatraamin’ izany.
2. Lazao ny marina, Handraisantsoa
Ny fitadiavana azy re
Katsaho izanyerambazantany,
Aza mitsahatra na dia an y ankoatraany
fa tanjonaambony izany.
3. Ny fiandrianan’ ny olondratsy
Diambola hianjera ho lao
Ny marina kosahijoro hatrany,
Mandrakizay tsy hiozongozo naizany
na dia eo ’reo ratsyetoantany.
4. Fa ny marina ho mandrakizay,
tsy mba misy fiafarany
Na ho levona izao tontolo izao,
Ilay fahamarinana kosa tsy ho lao
fa tsy mety miova ho anao.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: John Jaques, 1827–1900
Feony: Ellen Knowles Melling, 1820–1905