Page 74
Velona ilay Mpanavotra ahy
Velona ilay Mpanavotra ahy
1. Velona Ilay Mpanavotr’ ahy,Endrey mankahery ny fanahy;Velona, velona KristyVelona mandrakizay Izy.Velon’ Izy mba hitahy ahy.Velon’ Izy mba hanafak’ahy.Velon’ Izy mba hanampy ahy.Velon’ Izy mba hiaro ahy.
2. Velona Izyhifaharana,Velona Izy hitarik’ahy;Velona IzyhankaheryVelona Izy ho ahy re!Velon’ Izy afatahotr’aho.Velon’ Izy hampionon’ahy.Velon’ Izy hampitony ahy.Velon’ Izy mba hitondra ahy.
3. Velona Ilay Fiafarana,Velona I lay Tompo tia ahy;Velona Izy mideràVelona ilay Mpanjaka.Velon’ Izy mpanome aina.Velon’ Izy fasana hivoIha.Velon’ Izy nanao toerana.Velon’ Izy mba hitondra ahy.
4. Velona amboninahitra,Ilay Mpamonjy tsy miova;Endrey mamy sy kanto reNy mandre fa velon’i Kristy.Velona amboninahitra.Tsy miova ’lay Mpamonjy ahy.Endrey mamy sy kanto erỳ,Ny mandre fa velona Kristy.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Samuel Medley, 1738–1799. Voarakitra ao amin’ ny fihiranan’ ny OAF, 1835.
Feony: Lewis D. Edwards, 1858–1921