Auto-scroll is most reliable with MIDI (computer-generated) audio.
Practice
Loading…
Ô! ry Ray
1. ô! ry Ray andanitr’any,Toerana avo be,Rahovian’aho no hahitailay tavanao re?Moa nitoetra tanyantranonao ny fanahiko?Nokarakarainao ve ahoFony aho mbola fanahy?
2. Noho ’lay tanjona lehibeNo nalehantsik’etỳ,Tsy navela ho tsaroako’zany fiainako tarỳ.Misy bitsika milazafa vahiny ahoetỳ.Toeramasina nisy ahyAlohan’ ny dia tetỳ.
3. Nampianarin’ ny fanahy ahyNy hianso Anao hoe Ray,Tamin’ny Filazantsara’zay tafaverin’ indray.Moa irery ve ny Ray?Tsy marimpototr’izany.Raha ny marina noambaraDia manandreny aho any.
4. Raha handeha aho ka handao’Ty fiainana ity,Hihaon’aminareo ve ahorehefa anyandanitra?Raha tanterako ny asazay nanirahanao ahy.Raha ekenareo izanyAvelao aho honina any.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Eliza R. Snow, 1804–1887