Auto-scroll is most reliable with MIDI (computer-generated) audio.
Practice
Loading…
Ny làlanao no làlako
1. Na hoany antendrombohitra,Na andranomasimbe.Na hanoloan’ ady lehibeNo hiantsoan’ ny Tompo.Bitsiky ny fanahy no reManoro zay haleha.Tompo ô! tantanonao re aho,Ny lalanao no lalako.
Ny Lalanao no lalako,Jesoa N’aiza n’aiza misy AnaoNy teninao no mamiko tokoa,Ny sitrakao no sitrako.
2. Teny feno fitiavanaTian’ i Jesoa lazaiko.Misy ’reo mpanota havanaIzay ho tadiaviko.Tompo ô! tarihonao ahoNa sarotra ny diaHaveriko ilay hafatraoHo lozaiko ’zay tianao.
Ny Lalanao no lalako,Jesoa N’aiza n’aiza misy AnaoNy teninao no mamiko tokoa,Ny sitrakao no sitrako.
3. Tsy maintsy hisy ’lay toeranaDia saha fijinjana.Hiasako ho an’ i Jesoa’zay voahombo tokoa.Ny fahatokiako ny fiahianaoMiampy ’lay fitiaNo haneken’ ny fo tsotr’ izao,atao anie ny sitrakao.
Ny Lalanao no lalako,Jesoa N’aiza n’aiza misy AnaoNy teninao no mamiko tokoa,Ny sitrakao no sitrako.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Mary Brown, 1856–1918