Page 94
Moa Nivavaka?
Moa Nivavaka?
1. Raha vao maraina nyandro,
Moa nivavaka?
Nangataka fitahiana
amin’ nyAnaran’ i Jesoa,
’zay Hiaro tokoa.
Endrey ’zany fahatoniana
Noho ilay vavaka.
Raha vao maizina ny dianao,
Mivavaha ianao.
2. Raha sendra ka sorena,
Moa nivavaka?
Hangataka famindrampo
Mba hamelanao tokoa
Ny rahalahinao.
Endrey ’zany fahatoniana
Noho ilay vavaka.
Raha vao maizina ny dianao,
Mivavaha ianao.
3. Raha sendra ady mafy,
Moa nivavaka?
Raha be ny alahelo
Balsaman’i Gileada,
Moa ve nalainao?
Endrey ’zany fahatoniana
Noho ilay vavaka.
Raha vao maizina ny dianao,
Mivavaha ianao.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Mary A. Pepper Kidder, 1820–1905
Feony: William O. Perkins, 1831–1902