Page 98
Dera ho an’ ilay nandre an’ i Jehovah
Dera ho an’ ilay nandre an’ i Jehovah
1. Dera ho an’ ilay nandre an’ i Jehovah.
’Lay mpaminany voahosotr’ i Jesoa.
Mba hiasa amin’ izao faran’ izao.
Ny tany rehetra hanaj’ Azy tokoa.
Derao ’lay mpaminany niakatr’ a ny andanitra.
Very maina ny asan’ ny ratsy fanahy.
Miara miasa amin’ Andriamanitra
’Lay mpaminany ka tsisy ahiahy.
2. Dera ho an’ ilay maty maritiora
Hankalazaina ny anarany.
Novonoina nohon’ ny asany Izy.
Izay mbola mitohy hatrany.
Derao ’lay mpaminany niakatr’ a ny andanitra.
Very maina ny asan’ ny ratsy fanahy.
Miara miasa amin’ Andriamanitra
’Lay mpaminany ka tsisy ahiahy.
3. Endrey ny fisoronany tsisy fetra.
Manana ny fanalahidy tokoa.
Handova lanitr’izy satria natoky.
Anivon’ ireo mpaminany taloha.
Derao ’lay mpaminany niakatr’ a ny andanitra.
Very maina ny asan’ ny ratsy fanahy.
Miara miasa amin’ Andriamanitra
’Lay mpaminany ka tsisy ahiahy.
4. Ny fahasoavana hirotsaka tokoa,
Vokatry ny fahafoizantenany.
Mifohaza ry tany ka mihavana.
Ho tsaroana ha frany ’lay mpaminany.
Derao ’lay mpaminany niakatr’ a ny andanitra.
Very maina ny asan’ ny ratsy fanahy.
Miara miasa amin’ Andriamanitra
’Lay mpaminany ka tsisy ahiahy.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: William W. Phelps, 1792–1872
Feony: Hiram-bakoko Ekôse