Page 104
Alina masina
Alina masina
1. Alina masina,
Mazava tony koa.
’Ndreo i Maria sy i Jesoa,
Zaza masina sy soa.
Io mandry io tokoa,
Io mandry io tokoa.
2. Alina Masina,
Mpiandry ondry nandre
Sy nahita anjely re,
’Zay nihira mafy hoe:
Tereka i Kristy,
Teraka i Kristy.
3. Alina Masina,
Fitiavana madio.
Ao amin’ io zazakely io,
Tongailay Mpanavotra,
Jesoa Tompontsika,
Jesoa Tompontsika.
Tonony tamin’ ny teny anglisy:Joseph Mohr, 1792–1848; nadikan’ i John F. Young, 1820–1885
Feony:Franz Gruber, 1787–1863