Page 106
Tafatsangana i Kristy
Tafatsangana i Kristy
1. Tafatsangana Kristy, Haleloia.
Ny anjely mihoby, Haleloia.
Hasandrato re ny feo, Haleloia.
Lanitra hamaly anao, Haleloia.
2. Vieta ny famonjena, Haleloia.
Azo ny fandresena, Haleloia.
Resy ny fijaliana, Haleloia.
Nosoloiny fifaliana, Haleloia.
3. Velona indray Jesoa, Haleloia.
Fasana resy tokoa, Haleloia.
Aiza re ny herinao, Haleloia.
Ry fahafatesana lazao? Haleloia.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Charles Wesley, 1707–1788
Feony: Anon., Lyra Davidica, 1708