Page 112
Zanaky ny Ray aho
Zanaky ny Ray aho
1. Zanaky ny Ray aho,
Napetrany etỳ.
Nomeny fianakaviav’ aho,
Ray amandreny tia.
Tariho, ampio, miaraha
Eo anilanay.
Toroy ahy ny ataoko
Hiverin’ any indray.
2. Zanaky ny Ray aho,
Ka mba tohono re.
Ampianaroahy ny Teniny
Hahaizako mandeha.
Tariho, ampio, miaraha
Eo anilanay.
Toroy ahy ny ataoko
Hiverin’ any indray.
3. Zanaky ny Ray aho,
Soa no aidiny.
Mbola hihaon’ Aminy aho,
Atao ny didiny.
Tariho, ampio, miaraha
Eo anilanay.
Toroy ahy ny ataoko
Hiverin’ any indray.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Naomi W. Randall, 1908–2001. © 1957 IRI
Feony: Mildred T. Pettit, 1895–1977. © 1957 IRI