Page 124
Sahia manao ny tsara
Sahia manao ny tsara
1. Sahia manao ‘zay tsara hatrany.Ny andraikitrao dia natao ho anao ihany.Am-pahazotoana mba fidio ny tsaraka ‘reo anjely no aoka hitantara.
Sahia manao ny tsara.Sahia manao izany.Sahia manao ny tsara hatrany.
2. Sahia manao ‘zay tsara hatrany.‘Zay tsy mahavonjy dia aoka ho any.Amin’ ny finoanao mijoroaka miadia toy ny mahery fo.
Sahia manao ny tsara.Sahia manao izany.Sahia manao ny tsara hatrany.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: George L. Taylor, Teraka 1835
Feony: narindran’ i A.C. Smyth, 1840–1909