Page 60
Lazao ny marina
Lazao ny marina
1. Lazao ny marina, Sarobidy,Fa harena tsy mba voavidyLafo noho ny firavaky ny tany,Ny satroboni nahitr’aza mbolaambanyraha miohatraamin’ izany.
2. Lazao ny marina, HandraisantsoaNy fitadiavana azy reKatsaho izanyerambazantany,Aza mitsahatra na dia an y ankoatraanyfa tanjonaambony izany.
3. Ny fiandrianan’ ny olondratsyDiambola hianjera ho laoNy marina kosahijoro hatrany,Mandrakizay tsy hiozongozo naizanyna dia eo ’reo ratsyetoantany.
4. Fa ny marina ho mandrakizay,tsy mba misy fiafaranyNa ho levona izao tontolo izao,Ilay fahamarinana kosa tsy ho laofa tsy mety miova ho anao.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: John Jaques, 1827–1900
Feony: Ellen Knowles Melling, 1820–1905