Page 66
Manaova ny marina
Manaova ny marina
1. Manaova ny marina hatrany.
Indro tonga ny fahazavana,
Ny asanao lazai ny anjely any,
Manaova ny marinaetoantany.
Ny marina tanteraho hatrany.
Miadia ho an’ ny fanahinao.
Ny fonao, fenoy fanantenana.
Ny Ray hiaro ireo marina.
2. Ny marina tanteraho hatrany.
Voavaha ny fatotry ny ota,
Fanantenana hitombo hatrany,
Mizoraamin’ ny marinahatrany.
Ny marina tanteraho hatrany.
Miadia ho an’ ny fanahinao.
Ny fonao, fenoy fanantenana.
Ny Ray hiaro ireo marina.
3. Ny marina tanteraho hatrany.
Mandrosoa ampinoana tokoa,
Ny ranomasonao re ho fafany,
Valin’ ny marina fitahiambe.
Ny marina tanteraho hatrany.
Miadia ho an’ ny fanahinao.
Ny fonao, fenoy fanantenana.
Ny Ray hiaro ireo marina.
Tonony tamin’ ny teny anglisy: Anon., The Psalms of Life, Boston, 1857
Feony: George Kaillmark, 1781–1835