1. Ndao ry Olomasina mba hiasa,
Tohizo re ny dia;
Na sarotr’ aza valin’ asa ve,
Raha tsy miezaka?
Aoka re tsy hanahiahy,
Tohizo fa aza manahy.
Ho feno hafaliampo,
Tsara re, Tsara re.
2. Nahoana no sarotra ny asa?
Toa, tsy marina.
Moa hanantena valin’ asa ve,
Raha tsy miezaka?
Tafio ny rariny, herim-po,
Tsy handao antsika ny Tompo.
Ho voarakitra tokoa,
Tsara re, Tsara re.
3. Nomanin’ ny Ray ‘lay toerana,
Any andrefana.
Tsisy handratra, hatahorana,
Fa fitahiana.
Ho velonkirampiderana
An’ Ilay Andriamanitra.
Venteso re ny hiranao,
Tsara re, Tsara re.
4. Raha ho faty andalana re,
‘Zany no andro soa.
Afaka ny entamavesatra,
Hiaraka ho any.
Raha mbola velon’ aina,
Hifankahita, tody soa.
Ny hira no kaloina,
Tsara re, Tsara re.
Tonony tamin’ny teny anglisy: William Clayton, 1814-1879
Feony: Hiram-bakoka Anglisy